27/08/2026
TONONANDRO 28 sy 29 Aout 2026
BELIER / ALAHAMADY : 22mars-21avril
Asa: mety handalo olana madinika fa ilàna fitandremana kokoa
Vola: fantaro izay tokony hamoahana vola na dia miditra aza izany
Fitiavana: manàna sofina mahay mihaino
Fahasalamana : tsisy hatahorana ny fahasalamana amin’ny ankapobeny
TAUREAU/ADAORO : 22avril-22mai
Asa : hanananao ny fahaizana sy traikefa amin’ny asa sahanina
Vola : ilàna ezaka mihoatra ny mahazatra ny fidirany
Fitiavana : azo lazaina fa tsara ny fifandraisana
Fahasalamana : maka aina rehefa mahatsiaro reraka
GEMEAU/ADIZAOZY : 23mai-22juin45
Asa : hita fa mihatsara ny vokatra araka ny ezaka ataonao
Vola : manaova kajikajy mialoha ny amin’izay tokony hamoahana vola
Fitiavana : halaviro ny fifanoherana mba hirindran’ny fifandraisana
Fahasalamana : ataovy ampy ny rano sotroina
CANCER/ASORONTANY : 23juin-21juillet
Asa : miankina amin’ny fifantohanao ny vokatra azo
Vola : mahaiza mampiasa vola amin’ny tsara dia ho hitanao fa ho tsara ny fidirany
Fitiavana : omeo toerana ny olon-tianao
Fahasalamana : sakafo ara-pahasalamana no atao betsaka
LION/ALAHASATY : 22juillet-23août
Asa : aza matahotra mampihatra izay hitanao fa hitondra vokatra tsara ho an’ny asa
Vola : ampiasao amin’ny zavatra tsara ny vola
Fitiavana : mahatsapa fitiavana manokana ianareo renim-pianakaviana
Fahasalamana : ao aminareo ny hery sy ny tanjaka
VIERGE/HASIMBOLA : 24août-23septembre
Asa: ezaho vitaina ara-potoana ny asa nampandraiketina anao
Vola: tsy afa-po amin’ny fidirany ianao, jereo kely ny fomba fampiasana vola
Fitiavana: mahaiza misitraka ny fanehoam-pitiavana aseho anao
Fahasalamana : mihinàna sakafo mafana ara-potoana
BALANCE/ADIMIZANA : 24septembre-22octobre
ASA: aza adino ny manampy ny mpiara-miasa fa vokatra iraisanareo io
Vola : halaviro ny trosa fa manahirana amin’ny fitedavana
Fitiavana : raiso izay andraikitra tandrify anao, dia ataovy amin’ny fo
Fahasalamana: salama vatana, tsisy hatahorana
SCORPION/ALAKARABO : 23octobre-22novembre
Asa : mahaiza mampiasa izay fahaizana hanananao hampitomboana ny asa
Vola : aza kivy na dia tsy mahita vokatra firy aza
Fitiavana : fifampiresahana sy fifampitokisana no vahaolna ho an’ny tokantrano maharitra
Fahasalamana : ao aminareo ny vintana ara-pahasalamana
SAGITTAIRE/ALAKAOSY : 23novembre-22décembre
Asa : feno hafaliana sy fahazotoana ianao eo am-panaovana ny asa
Vola : araho hatrany ny vina napetraka ho amin’ny fandaniana
Fitiavana : manokana fotoana iarahana amin’ny ankohonanao
Fahasalamana : tandrovy mba tsy ho reraka be ny vatana
CAPRICORNE/ADIJADY : 23 décembre-20janvier
Asa : diniho izay azo hatsaraina amin’ny asa sahaninao
Vola : tsinjarao mialoha arakaraky ny fandaniana atao ny vola
Fitiavana : misy tsy fitovian-kevitra eo aminareo fa aza ifantohana
Fahasalamana : manatona mpitsabo rehefa misy tsy azo azo
VERSEAU/ADALO : 21janvier-20février
Asa : aza miandry dera vao manao asa tsara
Vola : manokana vola atao tahiry na dia kely aza arakaraky ny miditra
Fitiavana : milamindamina ny fifandraisana
Fahasalamana : ataovy ampy ny torimaso
POISSON/ALOHOTSY : 21février-21mars
Asa : aza menatra milaza fanampiana amin’izay tsy voafehy mba hampivoatra ny asanao
Vola : aza mahihitra amin’ny vatna loatra
Fitiavana : mahatsiaro latsa-danja ny olon-tianao
Fahasalamana : fadio ny sakafo mavesatra izay mety hanetsika aretim-bavony
fondationfitiavana
Page astromania fondation fitiavan
Groupe fondation astromania
Adresse : BD RAKOTOSON JEAN lot 72 Tanambao V Toamasina
Emission radio talata sy zoma @ 10 ora sasany radio sisseil toamasina
Téléphone 034 26 808 02