05/07/2024
2em ROUNDS π
2em Chance...π..Mbola tsy tara ianao...π₯
π Enim-bolalana sahady izay no lasa,
ary enim-bolalana koa sisa dia hivalona tanteraka 2024.
π Ilay nofinofy hotrany mbola lavitra, ny taona miha mandroso.
πTe hanaitra anao aho androany.
Aoka izay ny nofinofy, mifohaza amin' izay ka tanteraho izany.
π¨ Aoka izay ny fiandrasana lava. Atombohy amin' izay.
π¨ Aoka izay ny fialan-tsiny, sahia ho tompon'andraikitra.
π Tsy mbola tara ianao.
π 75 taona i Abraham vao nanomboka niala tao antranon'ny Ray aman-dReniny ka nandeha irery.
π 40 taona i Colonel Sanders no nanangana ny orinasa KFC.
π Tsy misy taona sy fotoana mametra ka tsy afahana intsony manatanteraka ny nofinofiny.
π Na efa misasaka aza ny taona izao, tsy mbola tara ianao. Mbola misy enim-bolana be izao afahanao manao dingana. Afahanao mifoha amin'ny torimaso izay mahatonga anao mitohy manonofy foana.
π¨ MifohΓ za ka tanteraho ny nofinofinao..!!
π Manana faniriana ny ho tafita ianao? Te handraharaha? Te manambady? Te hanao trano, sns... Tsy azo eo ampipetrahana ireo, mila mihetsika ianao, mila mikofoka mafy, mila manao dingana.
π Tadidio fa maro ny maniry fiainana tsara sy mahomby! Fa izay sahy sy mahavita manohy hatramin'ny farany ihany no mahita vokatra.
π MiasΓ mafy, ahitsio izay tsy mety, atsarao izay tokony hatsaraina...aza manaiky raha tsy efa mahita ilay vokatra tadiavinao ianao.
π Mirary volana Jolay feno fahombiazana ho anao.
π Mirary tapa-taona feno fandresena ho anao.