30/10/2025
We are celebrating World Lemur Day locally in Ranomafana. For our fellow friends in Madagascar, here is the schedule of events. We are hosting Ranomafana National Park visits; registration is now open. There will also be educational games and activities at Centre ValBio.
Thursday, October 30th (8:00 AM - 12:00 PM): A special visit to Ranomafana National Park for local villagers who have never been, aiming to strengthen their personal connection to the forest.
Friday, October 31st (8:00 AM - 12:00 PM): The main celebration in Ranomafana town. The morning will kick off with a grand parade starting from the basketball field, followed by a small fair featuring educational booths (photo booths, memory games) for school children and the entire community.
The core goals are to boost local awareness, promote responsible ecotourism, and strengthen community engagement in conservation.
---
"Iray ho an'ny Varika" : Fankalazana ny andro manerantany ho an’ny Varika ao Ranomafana
Miomana amin'ny hetsika manan-danja ho an'ny fiarovana ny zavaboary sy ny fanentanana ny mponina ny faritr'i Ranomafana: ny fankalazana isan-taona ny Andron'ny Varika.
Ity hetsika roa andro ity dia karakarain'ny Centre Valbio, ny Madagascar National Parks (MNP) ary ny Kaominina Ambanivohitra Ranomafana, ary mifantoka amin'ny Varibolomena (Hapalemur aureus) izay tandindomin-doza. Ny teny filamatra dia: "Iray ho an'ny Varika".
Alakamisy 30 Oktobra (8:00 ora - 12:00 ora): Fitsidihana manokana ny Valan-javaboary Ranomafana ho an'ireo mponina eo an-toerana tsy mbola nahita izany, mba hanamafisana ny fifandraisany amin'ny ala.
Zoma 31 Oktobra (8:00 ora - 12:00 ora): Fankalazana lehibe ao an-tanànan'i Ranomafana. Hatao amin'ny maraina ny matso lehibe andraisan’ny mpianatra avy amin’ny sekoly eo Ranomafana anjara, manomboka eo amin'ny kianja filalaovana basket, arahin'ny fety foriana kely misy trano heva fanabeazana - fakàna sary sy kilalao isan-karazany ho an'ny mpianatra sy izay tonga mankalaza ny andron’ny varika.
Ny tanjona lehibe dia ny hampitomboana ny fanentanana eo an-toerana, ny fampiroboroboana ny fizahantany ara-tontolo iainana ary ny fanamafisana ny fandraisan'anjaran'ny fiarahamonina amin'ny fiarovana ny zava-boaary ao anatin’ny Parka Nasionaly Ranomafana.